Anjara Tandrify

Rija Rasolondraibe

Anjara Tandrify


Toa mbola manonofy foana aho
Raha mahita anao ka mandre ny feo
Toa tsy mety mino mihitsy aho
Hoe tena ianao no eo anilako eo


Misy hery hafahafa avy aminao
Ka mitondra ahy, misarika ahy ho any
Izay manintona ahy hitafa, hiresaka aminao
Mampihetsika, mamohafoha, manaitra ny ao am-po


Maso sendra mifanopy
Tsiky mitsilopilopy
Taratra manify mifanandrify
Miteraka hazavana
Mampiely hafanana
Ireo dia ampy andraisako anao


Miezaka ny hanazava saina aho
Sao hataitairana fotsiny izao
Saingy arakaraky ny ahafantarako anao
Toa mihamahazo laka ny fitadiavana anao
Toy ny hoe


Misy hery hafahafa avy aminao
Ka mitondra ahy, misarika ahy ho any
Izay manintona ahy hitafa, hiresaka aminao
Mampihetsika, mamohafoha, manaitra ny ao am-po


Maso sendra mifanopy
Tsiky mitsilopilopy
Taratra manify mifanandrify
Miteraka hazavana
Mampiely hafanana
Ireo dia ampy andraisako anao


·