ANIRAHO FANAHY MASINA

Chorale Antsan' Ivontovorona

ANIRAHO FANAHY MASINA


Maro ratsy mpisarika aho Tompo
mitarika ahy hanao izay tsy sitrakao:
Aniraho Fanahy Masina avy Aminao
hanome ahy fahendrena!


Miandrandra fampianarana aho Tompo
hahaizako mitady ny mahasoa ahy:
Aniraho Fanahy Masina avy Aminao
hanome fahazavan-tsaina ahy!


Tsy hitsahatra aho ny hanompo Anao Tompo;
hitombo ireo enjika sy sedra hahazo ahy:
Aniraho Fanahy Masina avy Aminao
hanome faherezana ahy!


Fiv:
Aza misaraka amin’ny fiainako Ianao Tompo,
ny zava-bitako tsisy anao tsinontsinona avokoa;
Toroy lalana amin’ireo zavatra izay hatao,
ho voninahitry ny anaranao.


A/C : Francis Odet RAMAMONJISOA (Mars 2019)


·