Anio
Groupe Ny hiran'ny Fanantenana
Anio
Anio ‘lay andro natokana ho ahy
Hanolorako ny fiainako ho Anao Jesosy o!
Ka ‘zay rehetra tsy mahasoa nataoko taloha
Alevina anaty rano ho foana avokoa
Atolotro fa foiko ny tenako ho Anao
Amboary re diovy ny fo ho madio
Manomboka ny ady ka tario
Aza avelanao ho irery
Mba omeo ny fanahy
Tehirizo ho Anao mandrakizay
Navelako any ‘reo toetra ratsiko
Mba soloy toetra vaovao
Hahaizako manao ‘zay sitrakao
Atolotro fa foiko ny tenako ho Anao
Amboary re diovy ny fo ho madio
Manomboka ny ady ka tario
Aza avelanao ho irery
Mba omeo ny fanahy
Tehirizo ho Anao mandrakizay