Anilanao

R. Mialy

Anilanao


Verse 1 : Ny lasako rehetra
Dia nampisehonao tokoa
Fa Ianao ry Tompoko no teo akaikiko
Na taiza aho na taiza
Na oviana na oviana
Dia indro Ianao teo anilako


Prechorus : Fa hafa ihany ny eo anilanao
Tsy ory zava-tsoa fa eo Ianao
Anilanao


Chorus : Anilanao no mahatsara ahy
Anilanao tsy mampanahy
Satria Ianao mihazona ahy


Verse 2 : Ny hoaviko rehetra
Dia antenaiko Anao tokoa
Fa Ianao Jesoa no eo anilako
Na ho aiza na ho aiza
Na oviana na oviana
Dia mahatoky aho fa eo anilanao


Prechorus : Fa hafa ihany ny eo anilanao
Tsy ory zava-tsoa fa eo Ianao
Anilanao


Chorus : Anilanao no mahatsara ahy
Anilanao tsy mampanahy
Satria Ianao mihazona ahy


·