Angatahiko Aminao

Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana

Angatahiko Aminao


Tompo o, hany angatahiko Aminao
Omeo ahy fo manoa Anao
Fa maro be ireo fakam-panahy
Izay misarika ahy


1- N’inona olana misy ety
Fijaliana na fahoriana
Lalan-tsarotra koa ny dia
Mitalaho aho aza ariana


Mahatoky aho Ray o, fa momba ahy Ianao
Manitsy raha miriaria
Omeo ahy ilay herin’ny fitia
Angatahiko Aminao


Tompo o, hany angatahiko Aminao
Omeo ahy fo manoa Anao
Fa maro be ireo fakam-panahy
Izay misarika ahy


2- Na tsy mendrika aza aho
Mbola nomenao ny Fanahy
Hiderako ny Anaranao
Anio, ampitso, rahatrizay


Mahatoky aho Ray o, fa momba ahy Ianao
Manitsy raha miriaria
Omeo ahy ilay herin’ny fitia
Angatahiko Aminao


T/F : Rabearivelo Mamy


·