ANDRON'NY NOELY

IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka

ANDRON’NY NOELY


1-Tonga indray ity ilay noely maminay
Fifaliam-be ho an’ny olona eran-tany
Andro famonjena ho an’izao tontolo izao
Koa amin’ny fitsikiana no hiarahabana anao


Ref: Aza dia variana amin’ny rendrarendra ianao
Toy ny lanonam-be akanjo sy kiraro vao
Aza be fanahiana ny amin’izay ho hanina
Fa raha handray ny Tompo di any fonao homanina


2-Izao andro anio izao andro manan-daza
Andro naterahan’ilay Jesoa zaza
Andro lehibe izay hamonjena anao
Koa mifalia re, derao ny Tomponao


Ref: Aza dia variana amin’ny rendrarendra ianao ………………….


3-Aza avela handalo ity andro sarobidy
Aoka ianao hahatsiaro sady hitadidy
Ny fitiavaNy anao no nenetreny tena
Tao an-tranon’omby hahazoanao famonjena


Ref: Aza dia variana amin’ny rendrarendra ianao ………………….


(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)


·