Andro hafakely
Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Andro hafakely
1/
Tonga tety Ianao Jesoa ho famonjena anay
Ka nafoinao ny lapasoa izay nitoeranao
Dia tonga nofo ka naterak’i Maria tety
Nanetry tena mba hamonjy ireo izay mpania
Refrain :
Noely maminay
Noely tianay
Ho noely hafa tokoa
Noho ny efa hita taloha
Ho noely fifaliana
Ho noely sambatra
Enga anie ny andro rehetra
Ho noely tsy misy fetra
2/
Fa lehibe sy mahagaga izany herinao
Ka dera, laza, hery, haja no atolotray
Fiainana, fiadanana, tsy mba manam-petra
Atalotrao ho anay hatramin’izay ka hatramin’izao