ANDRO FARANY 166

BOKIN-KIRA FIDERANA

ANDRO FARANY 166


1- Izao no andro farany
Hanananao fanantenana
Hihavian’ny Tompo, ny Tompo
Mpanjakan’ny mpanjaka ety an-tany.


Fiv. Ho avy faingana Izy
Ka am-pifaliana no hitsenàna Azy
Maraina ny hariva koa
Tsy ho ela dia ho avy Jesoa.


2- Hisy famantanana aloha
Amin-kintana sy volana
Ny masoandro koa hihamaizina
Manambara fa akaiky ny Tompo


3- Ireo tsy hita maty amin’ny Kristy
Dia hifoha ka hitsangana
Rehefa ambaravaran-danitra ao Jesoa
Handray ireo voavonjy avy ety.


4- Isika velona hiara-miakatra
Hitsena ilay Tompo maha-toky
Ny fanantenana koa azo antoka
Koa mifampionona ianareo


·