ANDRIAMANITRA LEHIBE

TDL (True Direction Life)

ANDRIAMANITRA LEHIBE


Tena gaga aho, nahita anao Ramose
Ianao toa tena lasa saina be
Adinonao tanteraka fa ianao anie
Dia manana Andriamanitra lehibe


Ireo olana sy aretin’izay mangeja anao
Navelanao anjakazaka be
Fa Jesosy Andriamanitr’izay Mpamonjy anao
Tsy napetrakao ho zava-dehibe e!


Tsy lehibe toy ny tendrombohitra
Ny olana kely izay hiatrehanao ô!
Tsy lehibe noho ny ranomasina misokatra
Ny ranomaso harotsakao ô!


Tsy lehibe toy ny namoronany
Ny tany sy lanitra ny aretinao ô
Andeha araho Izy, fa raha Izy no mandidy
Dia hivoaka ho Mpandresy ianao ô!


Tena gaga aho, mahita anao ramose
Ianao toa tena miasa saina be
Ho vitanao daholo angamba ny hampandeha
Ity fiainanao mifatotra kofehy


Ny devoly izay mpandringana mpamotik’anao
avelanao anjakazaka be
Fa Jesosy Andriamanitr’izay Mpamonjy anao
Tsy napetrakao ho zava-dehibe


·