Andri-rahona

Hery Rabenjarison

Andri-rahona


Mampivarahontsana tokoa
tokoa izao andro izao
ranomasina eo aloha
avy ao aorinako Farao
inona no hatao
aiza no haleha
very hevitra eto amoron-drano be


Tsy misy azo atao fa asandrato ny finoana
ny toy izao indrindra dia Jesosy no antsoina
ilay nampitsahatra ny tafiotra sy ny onja
hatrizay mandrakizay dia tsy miova


Izy efa naharesy izao tontolo izao
Tompo lehibe, Tompo lehibe
amin’izao ady sarotra sedraina izao
antsoy, antsoy f’Izy hiaro anao


Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy


Tsy misy tsy hainy atao fa halaviro ny hakiviana
ny olona mandao anao raha tojo fahoriana
ny teninao no heriko amin’ny ady lehibe
afa-tahotra aho ka izao mihira hoe


Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy


Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy


Izy efa naharesy izao tontolo izao
Tompo lehibe, Tompo lehibe
amin’izao ady sarotra sedraina izao
antsoy, antsoy f’Izy hiaro anao


Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy


Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy


matokia e e e
matoki i i a


·