Andraso aho

Troupah

Andraso aho


Andraso aho ry malala fa ho avy
Tsy ho ela dia hifanatri-tava
Voaandry izay toa ela lavitra anao
Aza adino ny taratasy, mandra-pihaona


Ny sarinao sanatria tsy hampionona ahy
Ny vatanao manontolo tiako hiseho
Mandra-maraina no hitiavako anao
Ny fitia toy ny ketsa, maniry raha hafindra


Homba anao aho n’aiza n’aiza misy anao
Fa mbola ianao no mamin’ny foko hatramin’izao
Tonga mba hamonjy ny akany tiana
Izany angamba no mety hitondra ny hafaliana


·