ANDRAMO KA 'ZAHAO FA TSARA JEHOVAH

SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY

ANDRAMO KA ‘ZAHAO FA TSARA JEHOVAH


Isaorako Jehovah mpiaro
Nitantana sy nanome soa
Nikarakara nikolokolo
Nihaino ny tarainako
Fa na dia maro ny mpankahala
Jehovah no sakaiza tsara
Mamonjy ahy manafaka ahy
Amin’ireo fahoriana


Isaorako ‘Lay Ray be fitia
Nifidy ahy ho mpiara-dia
Hitarika ireo ‘zay nania
hiverina ao ambalany
na sarotra ny lalan-kombana
Jehovah no mialoha lalana
Mitarika ahy mitantana ahy
Mihazonaeo ambany elany


Na iza ianao manam-panirina
Hahita soa sy fiadanam-po
Tandremonao ny faharatsiana
‘Reo teny fitaka esory koa
Manaova soa ialao ny ratsy
Banjino ilay ray be indrafo
Fa tsy ho vonoiny na ho elohiny
Izay mibebaka avy ao am-po


Fiverenana:
Andramo fa tsara Jehovah
Ka izahao fa tsara
Fa sambatra izay mialoka aminy
Tsyho orin-javatsoa akory


·