ANDRAMO KA IZAHAO

Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna

ANDRAMO KA IZAHAO


Refrain:
Andramo ka izahao e! Fa tsara Jehovah ’lay Andriamanitra
Raha mino Azy ianao de omeny anao ilay fiainana mandrakizay


1- Izay miara-dia amin’ny Tompo tsy maintsy mandresy
Na de mamingana ireo devoly fetsy
Jesosy tokana ihany raha te ho tafita
Lala-mizotra makany amin’ilay paradisa


Refrain:
Andramo ka izahao e…


2- Ity tany ity re ry nama tsy haharitr’ela
Izay variana ety dia tsy maintsy ho tavela
Aza mba mangatak’andro f’izao dieny izao
Raiso Jesosy hanapaka ny fiainanao


Refrain :
Andramo ka izahao e….


·