Andramo ka izahao

Wilson

Andramo ka izahao


Eo akaikinao Jeso
Eo no mahatsara ahy
Hitako fa tena sambatra aho
Rehetra miaraka Aminao


Eo anilanao Jeso
Eo no tena miaro ahy
Fantatro fa Ianao Ray o
No miaraka amiko


Andramo ka izahao
Fa tsara Jehovah Andriamanitrao
Sambatra izay olona mialoka Aminy
Fa tsy hanan-java-mahory intsony


Akaikinao eo no fiadanana
Ahitana fitia sy fahasambarana
Manatona f’Izy tsy handao anao
Izy no hialoha amin’ny lalanao


Andramo ka izahao
Fa tsara Jehovah Andriamanitrao
Sambatra izay olona mialoka Aminy
Fa tsy hanan-java-mahory intsony


Andramo ka izahao
Fa tsara Jehovah Andriamanitrao
Sambatra izay olona mialoka Aminy
Fa tsy hanan-java-mahory intsony


Manatona f’Izy tsy handao anao
Eny, tsy hanan-java-mahory intsony.


·