Andeha isika hiara-paly

Andrianary Ratianarivo

Andeha isika hiara-paly


‘Ndeha àry isika mba hiara-paly
Ka ny hira fihobiana hifamaly
Arahaba ihany ry mpifankatia
F’efa tojo soa aman-tsara izany dia


Arahaba soa sy firariana
No atolotray ireo hava-tiana
Hifanambina sy hifanasoa
Ary tsy hisara-mianakavy koa


Izao no andro tokana aman-tany
Andro firavoana tsy ho lany
Izao ry lahy no diavolam-pararano
Izay mitaratra ny farihy manganohan


·