Andeha hitsena Azy
Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Andeha hitsena Azy
1/
Meteza anio mba hamoha, ny varavaran’ny fo
Hidiran’ny Tomponao, ka hitoerany ao
Ho tretrika ianao, ary tsy hanenina koa
Fa hotolorany izao fiadanana tsy ho lo
Refrain :
Handeha hitsena Azy re
Handray ny tanany e
Ka hiaraka hamindra
An-kira tsara indrindra
Faingàna ianao malakia
Aza variana ety
Sao diso aoriana, avia
Fa miandry anao Jesoa tia
2/
Ny fanavotany anao, no he netezany andao
Ny lapasoa-ny ary, ka he nidinany ety
Tsy foiny ianao ho very, tonga Izy hampahery
Hivimbina hazavana, sy hanafaka ny gadra
3/
Raha tonga ilay fotoana, tsy hoela miomàna
Ho avy Izy hanoloana, handray ny fanjakana
Aoka ho vonona ianao, hitsena ny Tomponao
Hitaona koa ny havanao, hiara-hihira hoe