Andeha hitory
azofi fjkm ambohipo
Andeha hitory
Andeha hitory ny anaran’ny Tsitoha
Amin-drahalahy efa mitolefika
F’isika izao anie no iraky Jesoa
Hampahery azy ireo mba tsy ho fefika
Ref : Dia hiroborobo ny fiangonana
Fa tsara tokoa Ansriamanitra
Hiara-hidera fa tsy ho vozonana
Fifalian-dehibe hatrany an-danitra
Andeha koa hampahafantatra ireo lazany
Amin’ireo izay mbola tsy mahalala
Atsangano ny faneva ho tazany
Anarahany anao ho ao am-bala
Andrha hanambara ny anarany
Hampahery ireo izay trotraky ny ady
Fa ireo izay te hanova ny tantarany
Hibebaka tokoa, hifona handadilady