ANDEHA HIARA-HIOBY
Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
ANDEHA HIARA-HIOBY
Réf.
Andeha hiara-hioby sy hankalaza
Ilay Tompo Mahery sy manan-daza
Ka asandrato mafy ny fiderana
Ho an’ilay Mpanjaka Tompon’ny fahefana
Fa Azy izao tontolo rehetra izao
Hatrany an-danitra sy ety an-tany
Nataony tsara izany rehetra izany
Hande hiaraka hanandram-peo
Hiventy ny hosana sy Hira fiderana
Hiventy ny hosana sy Hira fiderana
Andriamanitra Mahery tokoa izy
Sady mahay ny zavatra rehetra
Nataony tsara izao rehetra izao
Hande hiaraka hanandram-peo
Hiventy ny hosana sy Hira fiderana
Hiventy ny hosana sy Hira fiderana
He faly ravo ery izany foko
Fa novonjen’i Jesosy Kristy Tompo
Tao anatin’ny aizina be
Hande hiaraka hanandram-peo
Hiventy ny hosana sy Hira fiderana
Hiventy ny hosana sy Hira fiderana