Andao hikorana

Anj'art

Andao hikorana


Hira hira no kalonay
Entinay ho fiharabana
Fo sy saina tinay hiray
Faly ianao ka ho tamana
Vao fiandohana fotsiny nef’izao
Mbola maro ny hafaly anao


Fiverenana:
Aza miala fa mijanona
Hatramin’ny farany


Hikorana hifaly anie ‘sika
Alefaso ny mozika
Ka ataovy zay azo atao
Sy ‘zay mety hafaly anao
Ndao mba hiaraka hiala voly
Hadinoy zay mety hampahory


Fiverenana:
Aza miala fa mijanona
Hatramin’ny farany


Fa tinay raha mba hampahery
Ity andro iray ity
Zay atao de tsisy an-tery
Ny tanjotsika hifankatia
Ka andao hiaraka hikorana
Ny mifaly de tsy mba rarana
Fiverenana
Aza miala fa mijanona
Hatramin’ny farany


·