Andao hikorana

None

Andao hikorana


Hirahira no kaloinay
Entinay ho fiharabana
Fo sy saina tianay hiray
Faly ianao ka ho tamana
Vao fiandohana fotsiny nef’izao
Mbola maro ny hafaly anao


Aza miala fa mijanona
Hatramin’ny farany


Hikorana hifaly isika
Alefaso ny mozika
Ka ataovy zay azo atao
Sy zay mety hafaly anao
Ndao mba hiaraka hiala voly
Adinoy zay mety hampahory


Aza miala fa mijanona
Hatramin’ny farany


Fa tianay raha mba hampahery
Ity andro iray ity
Zay atao dia tsisy an-tery
Ny tanotsika hifankatia
Ka andao hiaraka hikorana
Ny mifaly dia tsy mba rarana


Aza miala fa mijanona
Hatramin’ny farany


·