Andao hifankatia
Riampeon' Ny Maritiora
Andao hifankatia
Ry zanak’Andriamanitra rehetra izao,
mbola hifandrafy foana ve no atao?
Hisakelika fiatsaram-belatsihy
nefa maha sampona ny dia.
Ry zanak’Andriamanitra rehetra izao,
mbola hifandrafy foana ve no atao?
Hisakelika fiatsaram-belatsihy
nefa maha sampona ny dia.
Ref : Ka andao hifankatia, andao re hiara-dia !
Andao re hikambana ao amin’i Kristy !
Ho tia ny namana, ho tia ny havana,
fa izany no didy lehibe
izay nomena ho antsika rehetra izay mandre
Ka hanao filamatra ny fifankatiavana.
Angamba isika mahatsàpa izao
fa firaisankina no tsara atao.
Ireo lolom-po sy fosa, ialao
fa tsy mahasoa antsika izao.
Angamba isika mahatsàpa izao
fa firaisankina no tsara atao.
Ireo lolom-po sy fosa, ialao
fa tsy mahasoa antsika izao.
Ref : Ka andao hifankatia, andao re hiara-dia !
Andao re hikambana ao amin’i Kristy !
Ho tia ny namana, ho tia ny havana,
fa izany no didy lehibe
izay nomena ho antsika rehetra izay mandre
Ka hanao filamatra ny fifankatiavana.
Ka andao hifankatia, andao re hiara-dia !
Andao re hikambana ao amin’i Kristy !
Ho tia ny namana, ho tia ny havana,
fa izany no didy lehibe
izay nomena ho antsika rehetra izay mandre
Ka hanao filamatra ny fifankatiavana.