ANDAO HIFALY!

Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)

ANDAO HIFALY!


1)Ô zandry e! Ô zoky e! Mifalia! Miravoa!
Namana sy tapaka asandrato feonao!


Asaramanitra anie izao andro izao, aoka hifaly izao sy ianao,
ny sentosento sy ny tomàny esory hiala ajanony any.


2)Ô zoky e! Ô zandry e! Mifalia! Miravoa!
Namana sy tapaka asandrato feonao


Jesosy Tompo anie nampifandray antsika rehetra amin’ny Ray,
Koa asandrato hatrany ireo hira, hira maneho feo fifaliana


Andao aseho ny firaisankina,
hiara-hanompo hanao asa fitoriana.
Izao sy ianao isika izao hiray fo sy saina vaovao.


T/F: Fenosoa Raveloson


*FMZ


·