Andao hiaradia

ASAFA (FJKM Ambohipiarenana Kristy Fehizoro Ambositra)

Andao hiaradia


Iray ny fanompoana atao
Iray ny tanjona
Ko tsy aleo ve miaradia
Ko tsy aleo ve, tsy aleo mifankatia
Fa didy lehibe ny hoe:
Mifankatiava hianareo
Aoka hitambatra, ka tsy hisaraka
Iray koa ny Tompo, ary isik’izao
Asainy mifanompo oooooh
Tena hifanompo


Andao hiaradia, hifaneho fitia ka
De tsy hifandao, mandrapiavin’i Kristy
Fa ho tonga tampoka
Amin’izay tsy ampoizinao ka
Mila miambina, mba tsy hanenenanao x2 (@voalohany)
Andao hiaradia, hifaneho fitia ka
Hifampivavaka, mba samy ho sitrana
Hifampitantana, hifampivavaka ka
De tsy hifandao, misaraka tsy atao
(Coeur)
Hifampitantana, hifampivavaka ka
De tsy hifandao, misaraka tsy atao x2
(Duo)
Hifampitantana, hifampivavaka ka
De tsy hifandao, misaraka tsy atao


AC: José Patrick


·