ANDAO HIARA-DIA
RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
ANDAO HIARA-DIA
1 Andao hiara-dia
Andao hifankatia
Na misy aza tsy tia
Tsy ataontsika hahakivy sanatria
REF:
Jesôsy be fitia,
No mampifankatia
Aza misalasala
Fa n’iza n’iza iray ao am-bala
Avia, Avia avia hiara-dia
F’ aza maniasia
2 Eny fa mbola misy
Ireo tsy mino indrisy
Variana miliba
Antsoy antsoy amin’ny feon’antsiva
REF:
Jesôsy be fitia,
No mampifankatia
Aza misalasala
Fa n’iza n’iza iray ao am-bala
Avia, Avia avia hiara-dia
F’ aza maniasia
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO