ANDAO HANDIHY

Mihanta

ANDAO HANDIHY


Miankavanana, miankavia
Mifamihina sy mandihy
Miofaofa toy ny hazo an’ala
Kopakopaka vorondia
Kipy maso tsy anki-jery e
Ny eritreritra no aoka andeha
Maivamaivana toa zozoro ô
Andihizo fa tena soa…


               Ref : Tsy salegy, tsy basesa,


          Na tsapiky koa na malesa
          Ny ao anatinao no mahalala
          Mandihiza tsy hisalasala
                    Iray aloha, roa aorina
                    Ankafizo dia mihodina
                    Adinoy izay mety hanadala
                    Andihizo raha te-hanala


Ny antsinanana sy ny atsimo ô
Ny avaratra koa tsy adino
Ry tandrefana mba midira e
Hifarimbona sy hihira
Ny embonembonao adinoy e
Masahia midoladola
Sakambino tsy ankihambahamba
Izaho valihy, ianao no lokanga


·