ANDAO

IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka

ANDAO


Refrain1:
Eh andao eeeeeeee …….
Andao, andao eh! Andao hibebaka re olona ô
Andao fa ho avy ny Tompo, tena marina eeeee
Andao fa ho avy ny Tompo


1-Rehefa alahady mafana fo
Ny alatsinainy manota koa, tandremo rahavako ô (tandremo e)
Ao am-piangonana ts’isy ohatr’azy
Nefa ao an-trano mamono vady, tandremo rahavako ô (tandremo e)
Tsy menatra akory amin’ny fiaraha-monina
Miady an-trano mifampitolona, tandremo rahavako ô (tandremo e)
Mi’zesta ery amin’ilay fitafy nefa ao am-po tena fako
Tandremo, tandremo rahavako ô


Refrain1:
Eh andao eeeeeeee …….
Andao, andao eh! Andao hivavaka re olona ô
Andao fa ho avy ny Tompo, tena marina eeeee
Andao fa ho avy ny Tompo


Refrain2:
Eh andao eeeeeeee …….
Andao, andao eh! Andao hivavaka re olona ô
Andao fa ho avy ny Tompo, tena marina eeeee
Andao fa ho avy ny Tompo


2-Aza variana mifanaratsy
Fa mihavana sy mifanampy, isika re olona ô (isika re olona ô)
Ande hitory filazantsara
Amin’ireo izay tsy mahalala, isika re olona ô (isika re olona ô)
Iray tanjona izaho sy ianao
Handova lanitra vaovao, isika re olona ô (isika re olona ô)
Any fiderana sy fifaliana
Tsy misy intsony ny fahoriana, ka andao re olona ô (andao eee)
Ka andao, andao e, andao eeeeeeee


Refrain2:
Eh andao eeeeeeee …….
Andao, andao eh! Andao hivavaka re olona ô
Andao fa ho avy ny Tompo, tena marina eeeee
Andao fa ho avy ny Tompo


                                                               (IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)

·