Anaty Finoana Lalina ( Ankalazao ny tompo )

Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa

Anaty Finoana Lalina ( Ankalazao ny tompo )


Anaty finoana lalina
No tian’ny Fanahy hametrahana anao


Ianao sao dia kivy mitady ny Tompo
Mandinika lalina anaty ny Vavaka
Ka sao very lalana anaty ny haizina


Diniho kely anie ireo roa lahy
Fony izy ireo tonga tany Emaosy
Tsy navelan’ny Tompo hibanjin’azy ela


Diniho kely anie i Maria Magdalena
Raha tany amin’ny fasana tamin’ny maraina
Tsy navelan’ny Tompo hamihina ny tongony


Diniho kely anie ireo telo lahy
Raha tany amin’ilay tendrombohitra Masina
Tsy navelan’ny Tompo hanao trano lay


·