Anaranao

Tarika Vonjy

Anaranao




  1. Anarana hafakely sy miavaka
    Ny Anaran’ilay Tompoko
    Antsoina foana rehefa hivavaka
    Manala ny Gadra ao am-po




  2. Ny olana ‘zay miseho amin’ny fiainako
    Dia samy ho maivana avokoa
    Raha vao tononiko ilay Anarany
    Dia homba ahy ny Heriny




Refrain: HOSANA HO ANAO Ry Mpanjakako
Fa tsy hay ampitahaina ry Tompo
Izany fahalebeazan’ny Herinao


Deraina Ianao Ry Mpanjakako
Fa ny fahalemeko noho ny herinao
Dia ny isehoan’ny Voninahitrao


3.Ilay satana mandositra avy hatrany
Raha vao mandre ny Anarany
Isika koa afaka ny miantso izany
Fa hiseho ny heriny


HOSANA HO ANAO …


Nefa tsy mba natao ho fianianana
Na hantsoina fahatany ny Anarany
Fa Masina x3 Jehovah Ray


HOSANA HO ANAO …


·