ANAO AHO TOMPO

TCR (Tarika Christophe Ratrema)

ANAO AHO TOMPO


Anao aho Tompo ô!
Reko ny feonao
‘Zay mitory ny fitiavanao ahy
Nefa mila hatsangan’ny finoana aho
Hanatonako Anao


Fiv:
Tompo ô! Ataovy manakaiky Anao
Sy ny hazo fijalianao aho
Manakaiky izany lanivohanao
Mivoa-drà ka hisaorako


Hafaliana manao ahoana
Izany ora iray
Manatrika ny seza fiandriananao
Raha mandohalika hivavaka aho Tompo ô!
Hiresaka aminao sakaizako


Atokany ny fiainako
Hanao ny asanao
Amin’ny hery sy ny fahasoavanao
Dia tohano ny fanahiko hibanjina amin’ny toky
Ka izay sitrakao no sitrako


Chrisptophe Ratrema


·