ANAO AHO JESOA

APAL EKAR BEMASOANDRO

ANAO AHO JESOA




  1. Tsy manana afatsy Ianao aho ry Jesoa Kristy
    Tsy manana na iray aza nanolo-tena ho famonjena
    Efa Anao mihitsy aho vidin-drànao
    Ka dia Aminao




  2. Eny Aminao no ametrahako ny momba ahy
    Ny fanahiako rehetra dia Iano no miahy
    Fa matoky Anao aho : tsisy tsy hainao atao
    Hainao ny maneho fa tsy adinonao ny Anao




Isan’alina handry aho na maraina hifoha koa
Eny miaiky tokoa aho : teo foana Ianao
Anilako eo hatrany misakambina ahy na mandeha na mitoetra
Dia fantatro fa mialoha ahy Ianao



  1. Tsapako fa miara mandeha amiko Ianao
    Ka na aiza toerana aleha tsisy fotoana tsy nahateo Anao
    Fa satria moa Anao aho dia tianao tsy ho very aho
    Fa ho amin’ny làlanao


Inty aho, raiso fa efa Anao
Anao tsotra izao ry Jesoa Ianao kosa ahy


·