Anao aho

None

Anao aho


Nohon’ny fitiavanao ahy no entiko manolotra ho Anao
Ny andro sisa hiainako entiko hiderana Anao
Na mafy aza ny manjo, teo foana hatrany Ianao
Ny andro sisa hiainako, ho entiko hiderana Anao
Na mafy aza ny manjo, teo foana hatrany Ianao
Tompo tsara ô! Izay rehetra ahy dia Anao


      Foiko ho anao ry Tompo, ny fiainako izay nomenao

Raha sitrakao dia Ianao ry Jeso, no hibaiko ny fanahinay mandrakizay
Tompo ô! Izay rehetra ahy dia Anao

Mifona aminao aho ry Ray, noho ireo ota vitako
Tsy mendrika ho zanakao satria efa nandao Anao
Nefa Ianao irery ihany, no mbola naha toy izao ahy
Tompo tsara ô! Izay rehetra ahy dia Anao


Nafoinao ny ainao nohon’ny hadisoana vitako
Namela anay hatrany Ianao, novonjenao ihany koa
Indro ry Jeso Tompo ô! Misaotra Anao izahay
Tompo tsara ô! Izay rehetra ahy dia Anao


      Foiko ho anao ry Tompo, ny fiainako izay nomenao

Raha sitrakao dia Ianao ry Jeso, no hibaiko ny fanahinay mandrakizay
Tompo ô! Izay rehetra ahy dia Anao

Bridge:


Jesoa Kristy no andry fialofako
Ny fiainako rehetra dia Anao avokoa
Tompo tsara ô! Raha tsy misy Ianao tsy nisy aho


      Foiko ho anao ry Tompo, ny fiainako izay nomenao

Raha sitrakao dia Ianao ry Jeso, no hibaiko ny fanahinay mandrakizay
Tompo ô! Izay rehetra ahy dia Anao

·