Analamanga

Dadhy Velonkira (Velkira Asampinga)

Analamanga


Fahiny izy io Analamanga
Ankehitriny hafa no mitranga
Hazo vitsivitsy no mba sisa tazana
Ny hady voakiky
Iarivonay tanindrazana


Fa ny tontolo sy lafivalo
Na Betongolo io na Andohalo
Manjakaray Alarobia Ambohimanarina
Iarivo iray mbola mila fanamboarana


Isika ve no leo? Asa angamba, asa angamba ô! ô! ô!
Izay rehetra toa miseho, mamotika an’ Analamanga


Andeha hasesy ny fijery
Arabe mena Analakely
Ekena fa niova, ahoana kosa ny hafa re?
Ny loto mandoza, tsy mety ho vita ny arabe
Efa iaraha-mahafantatra
Ny lemak’i Betsimitatatra
Tototra Ampasika, Ambodivona,Ankorondrano
Ampitatafika, Isotry indray no tondradrano


Isika ve no leo?
Asa angamba, asa angamba ô ! ô! ô!
Izay rehetra toa miseho
Mamotika an’Analamanga


Na aiza ijerena ka mitraka
Na Antanimena io na Isoraka
Dia io ilay Rova, izay trano haolo efa kila
Anisan’ny lova, ny harena tao aza efa dila !!!


Isika ve no leo?
Asa angamba, asa angamba ô ! ô! ô!
Izay rehetra toa miseho, mamotika an’Analamanga
Na ho dorana, na koa ho totorana,
Tsy maintsy hanenina, ho very ny maha - Merina !!!


·