Anaka omeo ahy

Groupe Stella

Anaka omeo ahy


Malomaloka ny andro
Dify teo ilay masoandro
Maizina tokoa
Fa mafy ity nanjo
Fa hay ny Tompo
Dia voahombo
‘Noho ny amiko sy ianao


Rakotra aizina ny tany
Nisy koa ‘reo nitomany
Nalahelo am-po
Fa mafy ity nanjo
Hay maty tokoa
Ilay Tompo Jesoa
Hamonjy ahy sy ianao


Odian-tsy hita ve?
‘Reo fijaliany tety
Ho lavinao ve
Raha mba mila anao izy anio


Hoe anaka omeo ahy
Omeo ahy ny fonao io
Dia mifalia, fa izy mihitsy
Ny hany fiainanao ety


Malomaloka ny andro…


·