ANAKA KATSAO IZY

Feon'ny fiderana

ANAKA KATSAO IZY


Anaka raha raisinao ny teniko (araiketo)
Araiketo am-ponao ny didiko
Ka atongilano amin’ny fahendrena (ny sofinao)
Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao
O! O! O! O! O! O! O!


Eny raha miantso ny fahalalana ianao
Ka manandratra ny feonao hahazo saina
Raha mitady Azy toy fitady volafotsy ianao
Raha mikatsaka Azy toy fikatsaka harena afenina


Dia ho fantatrao marina
Ny fatahorana an’i Jehovah
Ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra
Fa Jehovah no manome
Ny fahendrena
Ary amin’ny vavany no hihavian’ny fahalalana
Sy fahazavan-tsaina!


A/C .. RAKOTOVAO Christian Bienvenue


·