Ampy zay

CNFF (Chorale Ny Feo Fihavaozana - FLMAK Ambohimena Antsirabe)

Ampy zay




  1. Tafalatsaka tanaty fandriky ny aizina aho
    Fisedrana ve sa kapoka mahamay
    Tsy nitsinjo izany làlako aho
    Fa nikiry andeha anjambany ihany
    Kinanjo tany an-kady no niafarany




  2. Rakotr’aizina jambena anjakan’ny tahotra
    Izay diaviko tady mamatotra ahy
    Feno fandrika mamandrika
    Faingàna Jesosy hanafaka ahy
    Hampisava izany tahotro
    miandry aho, miandry Anao




Ref:
Trotraka aho satria mba maty ery
Nikatsaka ny soa tety
Nisasatra ny ho lafatra
Hay nizotra hoany an-davaka


Tompo ô! soa fa teo Ianao
Tsy namela tamin’izao
Nitsotra ny tànanao (handray ahy)
Fay aho fay aho AMPY ZAY




  1. Tsapako fa hay ny teninao no fanazavàna
    Sy Fanilon’izay làlana hombana
    Hatrizay nataoko ankilabao
    Oriory aho vao nahatsiaro Anao
    Ifonako Jesosy ô Avelao!


                                     CNFF Juillet 2021
    A/C: Zo Nafeno



·