Ampy kosa izay

NV

Ampy kosa izay


Fiainako tontolo
Natokako ho anao
Izay ilay sahy nijoro
Apinganao


Zatra manome
Izay revenao
Amin’ny alina aza mbola
Mihira ho anao


Nefa izaho raha mba niangavy dia
Tsy mba jerenao


Ka ampy lesy izay e!
Ampy kosa izay
Ampy lesy izay e!
Ampy kosa izay


Raha indray mandeha
Nekeko ihany
Fa efa ho impolo kely
Ny ohatr’izao hatrany


Fahefanao feno
Ny manda
Fa ny atero ka alao
Mahatsara fihavanana


Ka manahy aho amin’ny ho avy
Fa tsy afaka hihaino anao intsony e


Fa ampy lesy izay e!
Ampy kosa izay!


·