Ampy ho anay ny Fahasoavanao

GPl

Ampy ho anay ny Fahasoavanao


Raha mangatsika, dia ianao ray ô! ’lay manome ahy hafanana
raha haizim-pito, dia Ianao manome ahy hazavana
Raha sendra lalina ‘zaho Ianao tsy sasatra maneho ahy fahagagana
Tsy anilanao aho Ray ô! miaina @ fahabangana
Anilanao aho Ray ô! Fiainam-piderana


Ampy ho anay ny fahasoavanao
N’inona n’inona tsisy atao hampanahy
Reharehako isan’andro fa Andriamanitry ny fanantenako Ianao


Ampy ho anay ny fahasoavanao
N’inona n’inona tsisy atao hampanahy
Reharehako isan’andro fa Andriamanitry ny fanantenako Ianao
Ampy ho anay


Anilanao karakarainao izay rehetra misy fahasimbana
Anilanao izay rehetra ho avy ambaranao ahy @ Fahitana
Anilanao tsy mahakasika ahy rehefa fahotana
Tsy anilanao aho Ray ô! miaina @ fahabangana
Anilanao aho Ray ô! Fiainam-piderana


Ampy ho anay ny fahasoavanao
N’inona n’inona tsisy atao hampanahy
Reharehako isan’andro fa Andriamanitry ny fanantenako Ianao


Ampy ho anay ny fahasoavanao
N’inona n’inona tsisy atao hampanahy
Reharehako isan’andro fa Andriamanitry ny fanantenako Ianao
Ampy ho anay


Misaotra tompoko


·