Ampy ho ahy ny fahasoavanao

FEO MIRINDRA

Ampy ho ahy ny fahasoavanao


Tsy navelanao ho irery izay rehetra tia anao
Na misy aza ireo sedra izay mety manjo
Famindrampo sy fitiavana
Hikorinampahasoavana
Faly ny fo, ravo tokoa
Ka hatrizao, hihira aho
Hankalaza sy hidera anao


Ampy ho ahy ny fahasoavanao
Tena lehibe ny herinao
Dera tsisy fetra no atolotray
Voninahitra ho anao ry Ray


Koa matoky aho fa ny fandresenao no heriko
Satria izao dia hangina fa ianao no hiady ho ahy
Tena fitia tsy hita fetra
Mafy orina sy mitoetra
Ianao tontoloko rehetra
Ka hatrizao, hihira aho
Hankalaza sy hidera anao


·