Ampy Ho Ahy
Ny Ambasadôrà
Ampy Ho Ahy
Na orana mifafy tsy ahoako izorako
Na làlana mideza feno fandrika aza re
Hitohy hatrany ny dia na trotraka sy reraka
Manantena hatrany ny tanano mahery
Ref:
Sarotra ve ny fiainana ankehitrio
Etsy sy ero mikorontana mampamoifo
Kanefa manantena vahaolana azo antoka
Dia Jesôsy fitsaharana ampy ho ahy
Raha toa mitsilopy maizina ny aleha
Eh! maro fahavalo manao izay hampotraka
Andraso ilay maraina hitondra fahombiazana
Hanafoana ny ady natao ka ho mpandresy
Ref: (x2)
… … …
Dia Jesôsy fitsaharana ampy ho ahy