AMPOKA HAFALIANA
Chorale Antsan' Ivontovorona
AMPOKA HAFALIANA
1- Fisaorana no indro asandratra
tamin’izay nahafahako nitory anao;
Ampoka hafaliana aho, tsy nahaloa-peo,
Fa anio indro hidera anao aho Ray Ö.
2- Finoana, herim-po niainako,
teo ny mafy fa ianao nankahery ahy;
Ampoka hafaliana aho, tsy nahaloa-peo,
Fa anio indro hidera anao aho Jesoa Ö.
3- Misaotra anao ry Maria Reniko
Nanoro ny lalana izay nizorako;
Ampoka hafaliana aho, tsy nahaloa-peo,
Fa anio indro hidera anao aho Reny Ö.
4- Fa fifaliako ny eo anilanao
ry anjely mpiambina ahy amin’ny fiainako,
fa hitarika ahy ianao ho ao an-danitra ao,
hiara-hihira ka hitsaoka ilay Tsitoha.
Fiv:
indro ny ventso ataoko hira
Atolotro anao amin-kafaliana
Ny fitiavanao no ianako
mitarika ahy hikatsaka ny soa.
A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA (Mars 2019)