AMPIRAISO IZAHAY

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

AMPIRAISO IZAHAY


Toy ilay fahizay
Hataky ny Tomponay
Hampiray ho iray
Izao tontolo izao
No vavak’Aminao


Mba ho iray ihany
Hatreto an-tany
Ny mino ka tsy hanadino
Fa hanao zanakao.


Mbola misy ary tena misy
Ny fisarahana, eny misy
Noho ny hevitra mibahana
Ka toa tsy afaka ny olon’afaka


Tsy hisy intsony anie
‘Reo finoana be dia be
Nampisarak’hatrizao
Na dia samy zanakao


Ry Ray Hianao no nampiray
Ampiraiso izahay
Fa izay no vavakay


·