AMPIRAISO

afia antsan'ny fiderana anjarasoa

AMPIRAISO


                                 AMPIRAISO


Ampiraiso re ry Ray ô!
Izahay mpino Anao
Ampianaro re ry Ray
Izahay zanakao
Olona misara-bazana
Ampiraiso Rainay ô!
Ka hijoro hampanjaka
Ny fitiavana fanilo
Ny olona misara-bazana
Ampiraiso Rainay ô
Ka hifankatia hatrany
Hifanampy hifanasoa
‘Reo zanaka ‘zay nania
Ampodio ry Rainay ô
Ka hahita ny mazava
Fa anilanao Mpahary
Ny zanakao no mifankahala
Ampihavano Ray ô!
Ka hiadanam-pehizay
‘Reo milofo hifankatia
Izahay vahoakanao
Ampianaro Rainay ô
Fa ianao dia fitiavana
Mampiray anay rehetra


·