AMPIDINO ETO ANIO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

AMPIDINO ETO ANIO



Ampidino eto anio ny herinao Ray o!
Henoy ny vavakay avy ao am-po
Trotroinay Aminao ka mba jereo
‘Reto zanakao


Ref :
Inoanay [Henoy ny vavakay (1er voix)]
fa hitarika azy Ianao
N’aiza n’aiza haleha hiambina azy Ianao
[ka valio ‘zahay (1er voix)]
Satria fantatray fa tia azy Ianao
Ka ambany elatrao no hialofany
Raha sendra ny manjo [ady sarotra (2e voix)]



Irinay ny hasoavanao Ray o!
Tsy hisarak’aminay n’aiza haleha
Fa hamirapiratra ho hitany
Fa tia azy Ianao



Aza avela ho ‘rery ‘reo Ray o !
Aza hilaozanao fa efa Anao
Ny asa ataony anie mba hombanao
Hiderany Anao


·