Ampidino eto
None
Ampidino eto
1-“Ampidino eto ny herinao Ray ô!
Henoy ny vavaka avy ao am-po
Trotroinao Aminao ka mba jereo,
Ireto zanakao.”-
(Refrein)
(Beso)-" Inoanay fa hitarika azy Ianao,
N’aiza" aleha hiambina azy Ianao
Zao dia fantatray fa tia azy Ianao;
Fa ambany elatrao Ray ô no ialofany
Raha sendra sendra ny manjo.
(Vehivavy) Henoy ny vavakay,
Ka valio zahay ;
Fa ambany elatrao Ray ô! no
ialofany
Raha sendra ady sarotra.
2-“Aza avela Irery aho Ray ô!
Aza ilaozana f’efa anao
Ny asa atao anie mba hombanao
Hideranao .”-
(Refrein) -"(Inoanay fa hitarika…)
Henoy ny vavakay…….. ets
3-“Irinay ny hasoavanao Ray ô!
Tsy hisaraka aminy naiza aleha
Hamirapiratra ho hitany
Fa tia azy Ianao.”-
(Refrein) -"(Inoanay fa hitarika…)
Henoy ny vavakay…….. ets