Ampianaro izahay ho tony
Tarika Miantefa
Ampianaro izahay ho tony
Ampianaro izahay ho tony
Raha mandia lalan-tsarotra
Mba aoreno mafy ny finoana
Mba hanantena fiadanana
Fa zava-poana izay rehetra ety
Tsisy maharitra, mora malia
Fa ny finoana Anao hatrany ihany
No antom-pifaliana doria
Ampianaro izahay ho tony
Raha mandia lalan-tsarotra
Mba aoreno mafy ny finoana
Mba hanantena fiadanana
Fa zava-poana izay rehetra ety
Tsisy maharitra, mora malia
Fa ny finoana Anao hatrany ihany
No antom-pifaliana doria
Ny ady atrehanay tsy zaka intsony
Maningotra aina, mampamoy fo
Tenenina MANGINA dia mitony
Hay tsinontsinona Aminao Tsitoha
Ilay teninao mamboraka fitia
Ny Herinao no herinay ety
Ilay finoana Anao hatrany ihany
No antom-pifaliana doria…