AMPIANARO ANAY

SLK Miantsa ATV

AMPIANARO ANAY


1- Asainao mifankatia izahay
Satria mpianatrao ry Tompo
Hiombona tokoa sy hifandray
Ary koa mba hifanompo


Ny zava-misy anefa tsy izay
Fa dia tena mifanohitra
Tsy mety tafatambatra iray
Satria mitokatoka-monina
(……..miverina in-2)


Refrain:
Ampianaro anay Jeso
Ilay didim-pitiavanao
Mba ho tsapanay tokoa
Ilay fitiava-namana


Ampianaro anay Jesoa
Ilay fifandeferana
Mba tsy hisy lafy roa
Na hisy fifanoherana


2- Asainao mba mifanotrona
Raha toa ka misy hafaliana
Indrindra moa raha misy olona
Zay hidonam-pahoriana


Toa samy maka ho azy ny olona
Ao anaty fiaramonina
Ny andaniny tsy tia manotrona
Ny ankilant tsy tia hotronina.


Ref:
Ampianaro anay….


A/C RANDRIAMAROMAHEFARISON Gabriel
=====Slk Miantsa Atv====
——-Tous droits réservés——-


·