AMPIANARO

Nahovafi Ambatonjara

AMPIANARO


1°He ry tompo tsara ôôôô
Be tokoa ny fitiavanao
Ny ainao no natolotrao
Hamonjena ireo izay mino Anao


‘Nefa kosa Tompo ôôôô
‘Reto hafatra napetrakao
Maro ireo izay tsy tanterako
Nohadinoiko ireo voalazanao


Fiv: Ampianaro aho Tompo ôô!
Ampianaro hahalala
Hitandremako ny didy
sy ireo teny anatrao Tompo ô


Ka ‘zay sitrakao no sitrako
Izay làlanao no làlako
Ianao no itokiako,
Ianao no heriko o o


2°He ry Tompo tsara ôôôô!
Be tokoa ny fitiavanao
Ny ranao no nalatsakao
Hanadio indray ireo otako


‘Nefa kosa Tompo ôôôô!
Fohy tokoa ny fisainako
Mba tsilovy re ny saiko
Hahazoako ireo voalazanao


Fiv: Ampianaro aho Tompo ôô…


·