Ampianaro

Groupe Ny hiran'ny Fanantenana

Ampianaro


Jeso Malala ô! He fantatray fa avy aminao
Ilay loharano miboiboika Mitondra fiadanana


He tsara tokoa tsy takatry ny sainay Ny herin’ny fitiavanao,
Ny herin’ny fitiavanao
‘Zay mambabo ny fo sy saina Mamelona aina


Ampianaro re ‘zahay ry Ray Mba ho toa Anao
Ka hitia na ny fahavalo Mba miangavy re
Ampianaro mba ho tia ‘reo namanay
Ampianaro mba ho be fitiavana Ny herin’ny fitiavanao,
Ny herin’ny fitiavanao No mandrakotra ny fo saina
Anio mandrakizay


Jeso Malala ô! He fantatray fa avy aminao
Ilay loharano miboiboika Mitondra fiadanana


Ampianaro mba ho tia ‘reo namanay
Ampianaro mba ho be fitiavana
Ny herin’ny fitiavanao,
Ny herin’ny fitiavanao No mandrakotra ny fo saina
Anio mandrakizay


·