AMPELA

Rebika

AMPELA



  1. Ampela aiza ianao
    Volana firy izao tsy nandrenesam-baovao
    Ampela fantatarao
    Ny fahoriako indray andro tsy anilanao


Mandeha ny tsaho, any ampita ianao
Hay ve aho natao kilalao
Vokatr’izao ve hahafaly anao


Ref : Efa impiry aho no nandalo tany nody maina hatrany
Ireo havanao rehetra moa tsisy mivaky loha
Aiza re ny tany halehako hankatsy sa hankaroa



  1. Ampela aiza ianao
    Tsy tantiko intsony angamba re ny hisaina izao
    Ampela mba iantrao
    Aleo samy leo izay vao mba miala ianao


Mandeha ny tsaho fa any ampita ianao
Hay ve aho natao kilalao
Vokatr’izao ve hahafaly anao


Ref : Iza intsony koa no hanam-po hoe isika roa
Mbola mety hisara-dalana efa ireny no nanjo
Toa tsy maha-te hitia intsony marina moa


Ampela, aiza ianao?
Ampela, fantatrao
Ampela, aiza ianao?
Ampela, fantatrao


·