AMPANEKEO

Daniel RANOASON

AMPANEKEO


Dô dia F


1- Ampanekeo ny fitondranao ho mahasoa
Izahay ry Tompo Andriamanitray, ry Ray Tsitoha !
Ampanekeo ny sitraponao tokoa tokoa
Izahay raha safotry ny zava-manjo !


Isan’andininy:


Dia aok’ho tsapanay, ry Ray, ny tananao mahery
Izay manafosafo manasitrana ny fery,
O! mba ataovy velon-tsoratra ao anatiko ilay Fitiavanao
‘Zay tsy miova no sady tsy mandao


2-Ampanekeo ny Famonjenao tsy miafina
Izahay ry Jeso Tompo tena tia sy masina !
Ampanekeo ‘lay fahefanao izay mahay
Mampitony ny onjan-dranon’ny fiainanay!


3-Ampanekeo ny fitsapana mihatr’ety…
‘Zany tenako na dia malemy aza, Jeso tia !
Ampanekeo ny fisedrana atolotrao
Mba hahazaka ny hazofijaliako izao!


Dany RANOA 1990


·